DépêchesTsidika

Ankarefo Ambohidratrimo: Talen-tsekoly nisy namono

17 oktobra; talen-tsekoly iray teny Ankarefo kaominina Ambohidratrimo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny herinandro lasa teo. Nahitana tsatok’antsy miisa enina ny vatany. Mangana ny vatany ary voadaroka ny lohany. Lasan’ireo olon-dratsy ny antotan-taratasy mahakasika ny asany; ny findainy mbola tavela teny aminy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Laisser un commentaire