Tetikasa hampandrosoana ny indostria isam-paritra androsoana ny Indostria isam-paritra
Manomboka mitsangana ankehitriny ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Indostria sy ny varotra ary ny Asa tanana; sy ny ONUDI eo amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria isam-paritra, ny fandraharahana ary ny asatanana izay mifandray tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Velirano 6,7,9. Tafiditra ao anatin’ny fampiarana ny fandaharanasa ODOF na Indostria Manakaiky Distrika izay mitondra hatrany fanatsarana eo amin’ny kalitao sy ny fitomboan’ny vokatra eny ifotony ary mirona makany amin’ny fampananana asa mendrika ho an’ny rehetra hoy ny fanazavan’ny Ministera. Tetikasa miisa telo no nirosoana tamin’ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fampitaovana avy amin’ny ONUDI ho an’ny MICA ho fanohizana ny asa natomboka narahina fanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta ny alakamisy 15 jolay teo teny Anosy. “Ny tetikasa tahaka izao no hahafahana manohana ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mpamokatra aro-vava orona nandritra ny fiadiana amin’ny valan’aretina Covid19 hoy ny tompon’andraikitra. Tontosa tamin’io ihany koa ny fanolorana ofisialy ny boky mirakitra ireo karazana asa ofisialy misy eto Madagasikara eo amin’ny sehatry ny asatanana ahitana vehivavy sy tanora manodidina ny 25-30 taona amin’ny ankapobeny ao anatin’ireo mpanao asatanana miisa 482 929. « Ankehitriny ny MICA dia mivoy ny fanovana tanteraka sy fampandrosoana ny asa tanana amin’ny endriny vaovao ho fampandrosoana ity sehatra mpamokatra ity » hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana, Rakotomalala Lantosoa.
Nicole Rafalimananjara
