ActualitésTatitra

Belgique : Lehilahy iray no namono ny reniny tamin’ny fomba feno habibiana

Lehilahy mpankafia « mangas » sy « jeux video » mahery setra i Ismaël Verdoolaege, 33 taona. Mbola niara-nipetraka tamin’ny reniny 74 taona tao rue Grand Vinâve ao Jemeppe ny tenany. Rehefa nisy fifandirana nefa teo amin’izy mianaka dia nokendain’i Ismaël Verdoolaege ilay reniny, norasarasainy ary nataony tao anaty vata-fampangatsiahana ny tanana sy ny tongony raha nariany tao amin’ny kaontenera mitsingevana tao amin’ny lakandrano Albert ao Hermalle-sous-Argenteau kosa ny ambiny.

Olona tsy nitonona anarana kosa no nitoroka an’i Ismaël Verdoolaege saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nahitana razana na rà intsony tao an-tranon’ity farany. Nandritra ny fotoana nikasany handehanana tao Corée du Sud nefa dia voasakana ny tenany ary niaiky heloka. Raha ny voalazan’ny fianakaviany dia olona « introverti » io lehilahy ary tsy nampoizina nahavanon-doza.

Laisser un commentaire