ActualitésCultureTsidika

Avaradrano: Toerana manan-tantara Amboantany, Antanamalaza, Ankibon’Imerina

Toerana anisan’ny manan-tantara kanefa vitsy mpahalala ny mahakasika an’Amboantany, Antanamalaza ary Ankibon’Imerina. Toerana manana ny mampiavaka azy na eo amin’ny endrika na ny vohitra. Nanana ny lazany manokana ireo toerana ireo tamin’ny fotoan’ny fahampanjaka.

“Toerana nonenan’I Ralambomanana, zanak’I Andriamaheritsialaintany tamin’izany fotoana ity vohitra ity. Avaratr’Ambohimalaza, atsinanan’Ambatomanga, atsimon’Ankadinandriana ary andrefan’Ambohimanambola no misy azy” hoy ireo mpahay tantara.

“Anisan’ny mahafinaritra raha vao jerena ivelany fotsiny ity toerana ity. Miavaka tokoa izy ary milamina noho izy amin’ny toerana lavitra ny renivohitra sy mangina” hoy I Miora, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Maro toerana manan-tantara sy nanamarika ny tantara Avaradrano. Izy ihany koa moa no manana ireo kaominina ahitana ireo vohitra masina eto afovoan-tany. Tsara ny mandalina sy mitsidika ireny toerana ireny mba hahafantarana ny tantara sy ny niandohana.

Manitra R.

Laisser un commentaire