Nitsidika an’i Madagasikara ny delegasionan’ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Banky Eoropeana momba ny famatsiam-bola (BEI)
Nitsidika an’i Madagasikara ny delegasionan’ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Banky Eoropeana momba ny famatsiam-bola (BEI), hanara-maso ny fandrosoan’ireo tetikasa fotodrafitrasa vatsiany ara-bola.
Nifantoka tamin’ny fanombanana ny fandrosoan’ny asa fanavaozana ny tambazotran-dalana ny dinika, indrindra ny fanamboarana sy fanarenana ny RN6 mampitohy an’i Ambanja sy Antsiranana, ary ny RN13 mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe.
