ActualitésTatitra

Seychelles : An-dalam-pikarohana vahaolana momba ny jono maharitra ny nosy

Sehatra faharoa miantoka ny toekaren’i Seychelles aorian’ny fizaha-tany ny jona indostrialy. Manan-danja ho an’ny fidiram-bola ny nosy ihany koa nefa ny ny jono artisanaly. Sehatra mamelona fianakaviana maherin’ny 1 200 isa izany araky ny antontanisan’ny Fisheries Transparency Initiative. Nanamafy izy ireo fa mahalany trondro 65 kg isan-taona ny olona iray ao Seychelles raha 20 kg izany ao La Réunion.

Manoloana izany dia an-dalam-pikarohana vahaolana hametrahana jono maharitra ireo tompon’andraikitra. Zava-dehibe na ara-tsakafo na ara-pivelomana ny trondro ao amin’ny nosy hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga ao Seychelles, Roy Clarisse ka hiezaka amin’ny fampivelarana izany izy ireo.

Laisser un commentaire