Kalitaon’ny rivotra : Nahitana fiovana izany raha ny teto Antananarivo
Dépêche 28 décembre, 16h, Nanao fanambarana ny avy ao amin’ny OMS fa ratsy ny kalitaon’ny rivotra hiainana eto Antananarivo renivohitra. Taorian’ny rotsak’orana izay nisy tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia nahitana fiovana izany ka efa mitady hanakaiky ny fenitra takian’ny OMS amin’ny kalitaon’ny rivotra hiainana mahasalama. Mila toetr’andro mety hamonoana ireo loto hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra ny eto Anrenivohitra mandritra ny telo andro misesy eo ka ho tratra ny tanjona aorian’izay. Mandray anjara amin’izany ihany koa ireo fiara mamoaka setroka maloto sy ireo orinasa isan-karazany izay tokony samy handray ny fepetra mifandraika amin’izany.
