Tontolo iainana: Natsangana ny “cellule de crise” miady amin’ny afo avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy
Dépêche 11 octobre, 11h, Hita fa mirongatra izay tsy izy ny doro tanety eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsapa fa isan’andro dia ahitana tranga na doro tanety foana ary hita fa tena saika manerana ny nosy mihitsy izy io. Noho izany dia natsangan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny « cellule de crise » hiadivana amin’ny doro tanety. Seha-panjakana maro no mifandrimbona amin’izany ary hamafisina sy hisandrahaka manerana an’i Madagasikara. Ho mafy araka izany ihany koa ny lalàna sy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay mandoro tanety sy mandoro ala.
