ActualitésTatitra

Maurice : Maniry ny hanekena ny asa maha mpanakanto ho asa feno ireo mpanakanto

Soloan’ny sendikà « Union des Artistes » tena ireo mpanakanto ao Maurice, indrindra ireo mpihira. Maniry ny hisitraka fiahiana ara-tsosialy, zo amin’ny fiantohana amin’ny tsy fananana asa sy fisotroan-dronono izy ireo. Manoloana izany dia nanararaotra ny adi-hevitra momba ny tetibolam-panjakana izy ireo mba hampandrosoana ny fitakiany.

Marihana fa ao amin’ny nosy dia tafiditra ao anatin’ny sokajy « socio-professionnelle » ny mpanakanto ary voasokajy ho mpiasa. Miankina amin’ny fizahan-tany ihany ny fiveloman’izy ireo ary ho an’ireo mpanakanto madinika dia ny hotely ihany no fidiram-bolany. Karamaina hanafana lanonana mantsy ny ankahamaroan’izy ireo.

Isany nijaly vokatry ny Covid-19 ny mpanakanto tao amin’ny nosy, tsy mba anisan’ireo nisitraka fanampiana izy ireo nandritra izany. Miandry ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny kolotsaina, Avinash Teeluck kosa izy ireo amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire