Ankadikely Ilafy: Misongadina ireo asa vita vokatry ny fiaraha-mientana eny ifotony
Misongadina ireo asa vita vokatry ny firindran’ny fiaraha-miasa teo amin’ny tomponandraikitry ny kaominina sy ny eny amin’ny fokontany, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny firotsahana an-tsehatra nataon’ny tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo nijery ny fahavitan’ireo foto-drafitr’asa teny an-toerana.
« Porofon’ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpitantana ny kaomina sy ny tomponandraikitra isam-pokotany ny fahavitana foto-drafitr’asa tahaka izao, ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Teo ihany koa ny fandraisana andraikitry ny tsirairay avy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
» Ny asa mivaingana tahaka izao no tena andrasan’ny vahoaka ary izao no taratry fandraisana andraikitra. Hirariana ny hitohizan’ny hetsika hatrany amin’ny sehatra hafa fa tsy hijanona hatreo ihany, mbola maro ny olana iainan’ny vahoaka ety ifotony » hoy i Michel, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Marihina moa fa ny fanamboarana ny toha-drano tao Ambodivary, fokontany Ambohitrarahaba no vita tao anatin’izany, teo ihany koa ny fahavitan’ny tetezana béton tao amin’ny fokontany Masinandriana. Ao anatin’ny ezaka ho an’ny fampandrosoana ataon’ny kaominina avokoa moa izany.
Manitra R.
