Akamasoa : Efa mandroso ny asa fanamboarana ny Oniversite Saint Vincent de Paul
Efa mandroso ny asa fanamboarana ny oniversite izay hatsangana ao amin’ny akany Akamasoa ary ho hita eny amin’ny cité. Ho hita ao anatin’izany ihany koa ny efitrano famakiam-boky Akamasoa, ka afaka ny hisitraka izany avokoa ireo olona rehetra manodidina.
« Efa ny 80% amin’ny asa ankehitriny no efa vita ary efa eo andalam-pamitana ny ambiny ny mpiasa. Izay marihinay moa fa ireo mpiasa manamboatra izany dia mpikambana ato amin’ny Akamasoa ihany. Vinavinaina ho vita anaty fotoana izy io satria efa mie-mitombo ireo mpianatra izay ahitana mpianatra avy amin’ny faritra 23 eto Madagasikara », hoy i Liva, tompon’andraikitra ao amin’ny Akamasoa.
« Ahitana sampam-pianarana maro ny Oniversite. Aon y informatika, frantsay, ny pedagogie génerale ary ny lakozia. Maro ny mpianatra ary ireo avy any ivelany dia efa manana ny kilasy mandry ho azy ireo. Hisitraka ny efitrano famakiam-boky ihany koa izy ireo rehefa vita ny fanamboarana izany », hoy hatrany ny fanazavana.
« Fianarana no hiakarako aty ary tsy hoe fahalalana fotsiny ihany no azoko ato amin’ny Akamasoa. Fa na fanabeazana ara-tsaina, sy ara-panahy ary ara-batana dia azoko ato daholo. Miandry ny trano ho vita tsara izahay dia hahazo tombony manokana avokoa », hoy i Sariaka, mpianatra mahakasika ny français ao amin’ny Oniversite Saint Vincent de Paul Akamasoa.
Maro no efa nahazo voka-tsoa tamin’ny fandalovana tao amin’ny Akamsoa. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona maro ity toerana ity. Misedra olana ihany koa anefa izany toerana izany ka mila fanampiana hatrany ireo mpiasa mba hampahomby ny fampandrosoana, na fanampiana ara-bola izany na ara-tolo-kevitra dia raisin’izy ireo daholo.
Miora Raharisolo
