SocialTsidika

Betsaka ireo mpitatitra manao tsinotsinona ny mpandeha

Firifiry izay no nitaraina ny amin’ny tsy fanajana ataon’ireo fiara mpitatitra manoloana ireo mpandeha. Ny fifanenjehana amin’ny samy bus, ny fandehanana mafy, tsy fijanonana amin’ny tobim-piantsonana, ny tsy fandehanana hatramin’ny farany ary manginy fotsiny ny faniratsirana ireo mpandeha.

Tsy vitsy ihany koa ireo mpandeha miantso mpitandro filaminana rehefa mahatsapa fa tsy rariny ny ataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy. « Efa betsaka ny fitarainana azonay ary efa miezaka miparitaka manara-maso ny fiantsonana izahay amin’izao manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. Nilaza kosa anefa i Viviane, izay isan’ny lasimbatra, ka nitaraina tany amin’ny mpitandro filaminana, ka nilaza hoe « Misy ireo mpandray tsolotra ka mora babon’ny vola, izay miteraka tsy filaminana eto, tsy manara-dalàna izy androany dia manome kely izy rahampitso dia toy izany hatrany ». « Efa alina ny andro tamin’izay kanefa nilaza ilay receveur fa tsy tody any amin’ny farany ny bus fa tapa-dalana, ny andro nefa alina hany ka mahazo vahana ny mpanendaka ».

Tokony sahy miteny isika mpandeha manoloana ny tsy fanarahan-dalana ataon’ny mpitatitra ; ary ireo mpamily dia tokony hanaja hatrany ny fifanarahana ao anatin’ny bokin’andraikitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire