Actualités

Mpianatra 26 no notolorana mari-pahaizana teo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena

Tontosa ny 27 jolay 2021 ny lanonana fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra 26 mianadahy, ahitana manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra, taorian’ny fianarana teny Anglisy nataon’izy ireo nandritra ny volana maro tao amin’ny ivon-toeram-pampianarana teny vahiny eo amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Mari-pankasitrahana kosa no nozaraina ho an’ireo mpampianatra izay eo ambany fiahian’ny Fitaleana ny Serasera, tarihin’i Rabearilaza Mamy ary iarahana miasa akaiky amin’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara.

« Nozaraina mari-pankasitrahana ireo mpampianatra nahatafita ireo mpianatra 26 miandahy ireto » hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard. Tonga nanome voninahitra ny fotoana mazava ho azy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny solotenan’ny Tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina miasa sy monina eto Madagasikara, ny Commandant James Millard ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Ministera sy ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy. « Zava-dehibe eo amin’ny taranja misy anay izao fanolorana marim-pankasitrahana izao, mankasitraka ny mpampiofana rehetra sy ireo nanohana na ara-pitaovana na ara-bavaka na ara-bola » hoy ny iray tamin’ireo mpianatra tafavoaka.

Zava-dehibe eo amin’ny tafika ny fahaizana mifandray amin’ny manodidina, koa tena ilaina tokoa ny fianarana teny vahiny manoloana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire