Etats-Unis : Lehilahy iray voaheloka higadra 400 taona noho ny heloka tsy nataony no nahazo fahafahana
Tokantrano iray no tratran’ny fanafihana nitam-piadiana tao Fort Lauderdale, tao Floride tamin’ny 19 jona 1988. Tafatsoaka ireo mpanafika roa tamin’izany saingy efa-bolana taorian’ny tranga dia lehilahy iray antsoina hoe Sidney Holmes, 23 taona no voarohirohy tamin’ny raharaha avy nosamborina. Nisy ireo vavolombelona nilaza tamin’izany fa izy no namily ilay fiara nentin’ireo jiolahy nandositra.
Manoloana ny tranga dia nohelohina higadra 400 taona i Sidney Holmes. Efa nahavita sazy 34 taona tao an-tranomaizina izy vao voaporofo fa tsy meloka. Rehefa naverina natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tany amin’ny toeran-kafa i Sidney Holmes tamin’ny fotoana nisehoan’ny fanafihana. Nivoaka ny fonja tao Broward, Floride ny 13 martsa teo, teo amin’ny faha 57 taonany izy noho izany.
Tsy fantatra kosa raha nahazo onitra Sidney Holmes manoloana io fanamelohana tsy ara-drariny azy io saingy nilaza ny tenany fa efa faly rehefa afaka mifanerasera amin’ny fianakaviany indray.
