Sabotsy Namehana : Any no hanaovana ny lalao hihaonan’ny kaominina roa eto Avaradrano
Efa mandeha ankehitriny ny lalao fifaninana baolina kitra ho an’ny kaominina rehetra eto Avaradrano. Ny zoma 19 novambra ho avy izao no hihaona amin’ny ekipan’ny kaominina Anjeva ny kaominina Ankadinandriana, manomboka amin’ny 12 ora tolakandro raha i Alasora sy Masindray kosa no aorian’izay.
« Aty amin’ny kianjan’i Sabotsy Namehana no hanatanterahana ny lalao hihaonan’Ankadinandriana sy Anjeva Gara ny zoma ho avy izao izay hanentanana ny mpanohana azy ireo indrindra ho tonga any » hoy ny mpikarakara ny lalao. « Mahafinaritra tokoa ny hetsika tahak’izao satria sady mampivondronda ny kaominina rehetra eto Avaradrano no ahafahan’ny mponina miala voly sy mampiseho ny talentany » hoy i Rolland, mponina ao Sabotsy Namehana. « Sehatra iray ahafahana mampiseho ny firaisan-kina tokoa ny baolina kitra tahaka ny Barea izao izay nampifandray ny Malagasy rehetra izany » hoy i Chrstophe, mpilalao baolina kitra ety Avaradrano.
Zava-dehibe tokoa ny sehatra sy fikarakarana tahaka izao izay manampy betsaka ny tanora tokoa mba tsy hirona amin’ny zavatra ratsy tsy ahitan-tsoa. Irariana mba tsy hijanona hatreo izany fa hitohy foana mandavan-taona.
Nicole Rafalimananjara
