Ambohimanga Rova : Tsy mbola misy ny vahaolana haingana ho an’ny tsy fahampian-drano
Mitaraina ho mijaly amin’ny resaka rano ny mponina ao Ambohimanga Rova. Efa betsaka ny fitarainana, saingy tsy mbola misy ny vahoalana hatramin’izao. Ritra ny loharano, tsy ampy ny rano amin’ny paompy no sahirana anefa vao mahazo.
« Ilaina isan’andro ny rano ka tena tokony ho vahaina haingana mihitsy ity olan’ny rano ity fa tena mijaly ny mponina » hoy i Arlette, mponina any Ambohitrandriamanjaka. « Tsy fokontany iray sanatria no mijaly rano fa tena vakivava mitaraina avokoa ny mponina rehetra, mangataka ny tompon’andraikitra hamaha ny olana haingana raha tsy izany dia ho fatin’ny tsy fisian’ny rano eto izahay » hoy i Mino, mponina any Anosiarivo Ambohimanga. « Tena ilaina ny rano raha io rano io no olana voalohany amin’ny toerana iray dia hijaly ny mponina ao aminy ary mikatso ny fampandrosoana » hoy i Vero, manam-pahaizana mikasika ny rano sy ny fampandrosoana.
Efa ela tokoa no nahenoana ny fitarain’ireto mponina any Ambohimanga Rova ireto mikasika ny rano. Efa misy ve ny vahaolana ? Ny rano tokoa mantsy dia aina mamelona ny olona iray ka hiteraka fahafatesana ho azy raha tsy misy ny rano.
Nicole Rafalimananjara
