SocialTsidika

Ambohimanambola : Nahazo CSBII vaovao

Vita tanteraka ny fotrodrafitr’asa ho an’ny fahasalamana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena ka tsara raha tena imasoana izany.

« Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataontsika eto Avaradrano izay ezahina ny hanaovana fotodrafitr’asa hanampiana hatrany ireo mponina eny ifotony » hoy ny solombavambahoakan’Avaradrano voafidy tany an-toerana, Dokotera Naina. « Mankasitraka ny ezaka manampy ny mponina tahaka izao dia enga anie hanao ny asany am-pitiavana ny mpitsabo izay hitantana ity CSBII eto amin’ny tanàna ity » hoy i Charles, mponina any Ambohimanambola. « Tena ilaina tokoa ny toeram-pitsaboana ny mponina satria sahirana ny sasany vao mahita izany ary enga anie hiparitaka manerana ny Kaominina rehetra mihitsy ny toy izany » hoy i Henri, mpianatra ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Ny fanomezana toeram-pitsaboana ho an’ny mponina ambanivohitra tahaka ity mihitsy no tena ilaina satria ho an’ireo tsy afaka mitondra ny marary any amin’ny hopitaly andrenivohitra dia tsy maintsy mitsabo tena kanefa hafa tokoa ilay manatona tobim-pahasalamana toy izay mitsabo tena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire