ActualitésTsidika

Masindray: Nisitraka tetik’asa sy foto-drafitr’asa vaovao ny mponina

Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny tao amin’ny fokontany Miadamanjaka II. Tokantrano 1200 no misitraka vatsin’ankohonana ao amin’ny kaominina Masindray. Izany dia noho ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fitondram-panjakana, araka ny voalaza.

« Nivaly ireo hetahetan’ny vahoaka efa nandrasana fotoana maro izay. Hisaorana ny fitondram-panjakana nametraka ireny tetikasa ireny satria miantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka tsirairay izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Fampidirana jiro tao amin’ny fokontany Miadamanjaka. Vatsin’ankohonana ho an’ny tokantrano miisa 12000 mandritra ny telo taona, handraisan’ny mpisitraka vola 50000 ka hatramin’ny 70000ar izany. Nisy ihany koa ny fanamboaran-dalana mirefy 1km, mampitohy ny kaominina amin’Ambohimanambola » hoy hatrany ny fanazavana.

Efa ela no niandrasan’ny izao tetik’asa izao. Mbola maro moa ireo fanatsarana sy asa fanamboarana handrasan’ny mponina ao an-toerana.

Laisser un commentaire