ActualitésTsidika

Tanora : Afaka mamorona asa ho azy manokana

Niarahaba noho ny taom-baovao ny Ministry ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosily, ireo ekipa teknika sy politika ao amin’izany Ministera izany. Nanolotra solombodiakoho ho an’ny Ministra izy ireo ary nirary soa ihany koa.

« Miarahaba sy mirary soa anao ramatoa Ministra. Eto dia maneho ny fahavononanay hatrany izahay amin’ny fiaraha-miasa hampandrosoana ny firenena » hoy ny solontenan’ireo Ekipa teknika sy politika ao amin’ny Ministera. « Tsy maintsy tohizana ny ezaka efa natomboka. Mila hatsaraina hatrany ny sehatry ny Asa ny fampananan’asa ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy eto Madagasikara » hoy ny Ministra Ranampy Gisèle.

« Tsy ampy tokoa ny asa ho an’ireo tanora. Izany no tena manome vahana ny asa tsy fandriam-pahalemana eto amintsika » hoy i Tolotra, tanora mpandraharaha. Olana lehibe tokoa ny tsy fahampian’ny orinasa eto amintsika. Azon’ny tanora tsirairay anefa ny manangana orinasa ho an’ny tenany manokana. Tsy mifidy diplaoma akory izany. Izay misy eo am-pelatanana no trandrahana tsara.

Tsy tokony ho olana intsony ny tsy fahampian’ny asa eto amintsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire