ActualitésTsidika

Ny kere any atsimo : Vokatry ny fiakaran’ny hafanana hoy ny ONU

Aretina anisan’ny mandripak’olona any Atsimo, saingy tsy aparitaka toy ny coronavirus satria angamba tsy mahavoa ireo andrim-panjakana isan-karazany, ny hanoanana sy kere. Efa nandritra ny taona maro izay, samy nilaza ireo mpitondra nifandimby fa handray an-tanana sy hikarakara azy ireo saingy hatreto, aiza izany ?

Mbola miaina ao anaty tsy fisian-tsakafo hatrany ireo mponina any atsimo. Nisy ihany ny fotoana nilazana fa hanomezana fanampiana azy ireo ary mangahazo no natolotra tamin’izany. Sao mba fanesoana na fandatsana azy ireo kosa? Efa hiaraha-mahita fa tsy misy rano ihany koa any amin’iny faritra iny manko anefa mbola zavatra toy izany no atolotra azy ireo. Amin’izao fotoana, efa mandika tanteraka ny lalàna maha-olombelona ny zava-misy any saingy teren’ny tsy fisiana angaha dia tsy afa-manoatra. Ireny sisa avy hanaovana kapa hoditra ireny no hoanin’ireo mponina any an-toerana. Aiza ny fitondram-panjakana? Ny eto andrenivohitra mitsangana ny fotodrafitr’asa manara-penitra isan-karazany saingy ireo any atsimo odiana fanina sa tena tsy hita? Ny firenena mikambana efa namoaka fanambarana fa firenena voalohany maneran-tany niharan’ny tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny hafanan’ny planeta i Madagasikara.

Efa tonga nitsidika tany ny filohan’ny PAM, Lola Castro ary nilaza izy fa mbola loza noho izao aza no hitranga raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana. « Tsy nandray anjara akory tamin’ny fanimbana ny tontolo iainana sy fiakaran’ny hafanana ireto olona ireto anefa dia mizaka ny vokany rehetra » hoy hatrany i Lola Castro. Manao antso avo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena i Lola Castro mba hijerena akaiky izao zava-miseho izao. Ny vahiny indray no toa mandray andraikitra mialoha fa aiza ny fitodrana Malagasy manoloana ny kere any atsimo ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire