Avaradrano : Efa nivaly ny BEPC
Efa nivaly ny fanadinana BEPC ho an’ny faritra Analamanga rehetra. Nahatratra 62,57 % ny taham-pahafahana. 65,78 % kosa ny taham-pahafanana raha ny teto Avaradrano manokana.
« Azo lazaina ho tsara ny vokatra tamin’ity taona ity. Nisy ny ezaka lehibe ary hirariana hiakatra hatrany izany » hoy i Feno, mpampianatra ao Ambohimankakely. « Efa nivaly avokoa ny fanadinana BEPC ho an’ny faritra Analamanga. Fari-piadidim-pampianara miisa 59 hatreto no efa namoaka ny valim-panadinana BEPC » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Tsara raha ampiakarina hatrany ny lentan’ny fanabeazana mba hiteraka fahombiazana hatrany. Raha miakatra hatrany ny lenta dia ho mora amin’ny zanaka Malagasy ny milahatra amin’ireo mpianatra iraisam-pirenena.
Nicole Rafalimananjara
