ActualitésSocialTsidika

Anosy Avaratra : Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lakan-drano ao an-toerana

Mitohy hatrany ny asa fanamboara ny lakan-drano ao amin’ny lalana mampitohy an’i Lazaina sy Isahafa ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, amin’izao fotoana izao. Dingana tsy maintsy atao, mialohan’ny hanoloana ho rari-vato ny lalana ao an-toerana izany, araka ny voalaza.

“Mitohy tsikelikely ny asa eto an-toerana ary miaraka manohy ny ezaka avokoa ny rehetra. Tsy mijanona izany asa fanamboarana izany raha tsy tratra ny tanjona napetraka. Hisaorana hatrany ny firaisankina sy ny fiombonan’ny rehetra manao ny asa tsy an-tery fa tena am-pitiavana tokoa ho an’ny tombotsoa iombonana” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny ezaka fanamboarana tahaka izao. hirariana ny havitan’izany hatramin’ny farany sy haingana satria raha ny fotoanan’ny fahavaratra ihany koa efa ho avy ka zava-poana ny ezaka raha ho simban’ny orana ny asa vita” hoy i Sahondra, mponina ao Anosy Avaratra.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fampandrosoana ataon’ny kaominina Anosy Avaratra ny asa fanamboaran-dalana. Tsy mikely soroka tokoa ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany, indrindra ny fanentanana ny olona havitrika amin’ny asa ho an’ny tombotsoa iombonana.

Manitra R.

Laisser un commentaire