Maurice : Olona 235 no nahavita fiofanana arak’asa
Ho fanafoanana ny tsy fananan’asa sy hanamora ny fahazoana izany dia nisy ny fanatontosana ny hetsika NTRS (National Training and Reskilling Scheme) tao amin’ny nosy Maurice. Nentina nanofanana olona an-jatony niompana tamin’ny sehatra maro izany. Anisan’izany ny fanofanana fikarakarana ny zokiolona sy ny manana, ny mekanikan’ny fiara sy ny elektronika, fikarakarana endrika amam-bika, sary, zaitra, fikarakarana sakafo…
Olona 235 no nahazo taratasy fahamarinam-piofanana tao anatin’izany ny talata teo. Notontosaina tao amin’ny Institut Mahatma Gandhi tao Moka ny fanolorana izany izay natrehin’ny minisitry ny asa, fampandrosoana sy fampiofanana, Soodesh Callichurn. Nilaza io tompon’andraikitra io fa hametraka fandaharam-piofanana maro izy ireo mba hampidirana indray ireo tsy an’asa ao amin’ny tsenan’ny asa.
