SocialTatitra

Allemagne : Miombon-kevitra amin’ny drafitra hanarenana indray an’i Europe

Nanao fanambarana nilaza ny fankatoavana ny drafitra hanarenana indray ny vondrona eropeanina ny ao Allemagne ny zoma 26 martsa lasa teo. Vola Mitentina 750 milliara Euro no hampiasaina amin’io drafitra io ary handoavana ireo trosa be nandritran’ny fotoanan’ny coronavirus tao eropa. Nanaiky io drafitra io ny firenena ao Allemagne ary haneho fa mbola miray hina sy mafy hatrany ny vondrona eropeanina na dia mbola anatin’ny ady mafy aza. Tanjon’io drafitra io mantsy ny hanarina ny sehatra ekonokin’ny eropa. Hanefa ihany koa ireo trosan’ny firenena mpikambana ary amin’ny alalan’ny endrika fanampiana no handefasana izany any amin’ireo firenena tena nahitana ffiantraikany be indrindra. Tetsy ankilany nandrasana fatratra ny vaton’ireo parlemantera tao Allemagne, izay nanohitra tanteraka fanefana ny trosa hikambanana tao Europe. Nilaza mantsy izy ireo talohan’ny fotoana nandraisany fanapahan-kevitra fa manahy ny hahazoan’ny firenena manana trosa be indrindra tombony amin’ny ezaka ara-bola hataon’ny firenena sasany. Nanova ny zava-drehetra anefa ny valan’aretina coronavirus ka nahatonga ny firenena tao Allemagne hanaiky io drafitra io avy hatrany.

Laisser un commentaire