Maurice : Maty ilay mpitondra moto voadona tao Chapelon.
Mpitondra moto iray no maty ny harivan’ny alakamisy 25 martsa teo amin’ny làlambe Camp-Chapelon, Pailles. Voadonan’ny BMW ilay kodiarandroa nitaingenany kanefa tsy nijanona ilay fiara nandona taorian’ny loza. Mbola tsy fantatra ny mombamomba ity mpitondra môtô ity hatreto satria tsy nisy taratasy namatarana azy teny an-kodiny. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nitrangan’ny loza. Na izany aza anefa, hitan’ny polisy ihany ny lalana nalehan’ilay BMW noho ny fisian’ilay fitaovana fakana horonan-tsary miafina teo amin’ny Safe City. Nankany Coromandel avy hatrany ireo tompon’andraikitra hisambotra ity mpamily ity.
