SocialTsidika

« Finday iray = hazo iray » mahatratra 50 000 ny hazo novolena

Ny taona 2020 no niatombohan’ny tolotra « finday 1 = hazo 1 » nataon’ny Telma izay iaharany miasa amin’ny orinasa sosialy « Bôndy », ary volana vitsivitsy aty aoriana dia nahitana fahobiazana ny tolotra.

 Eo amin’ny 30 kilometatra miala ny renivohitra no nametrahana ireo hazo izay novolena azo tamin’ny tolotry ny Telma sy ny fikambanana ara-tsosialy Bôndy. Efa mahatratra hatramin’ny 50 000 ny hazo novolena hatramin’ny taon-dasa any Andranamasina ary tatsaha eo amin’ny 40 eo miaramiasa ny Bôndy amin’ireo hazo novolena ireo. Marihana fa hazo fihinam-boa ny ankamaroan’ireo hazo ireo izay natao hampidi-bola ireo tantsaha ireo ary hanatsarana ny tontolo iainana koa.

Nilaza moa ny filoha mpamorona ny Bôndy, Max Fontaine fa ny fanatsarana ny tetikasa Andranamasina dia mipetraka eo ambanin’ny fambolen-kazo hatrany ary efa namboly hazo tamin’ny tannin’ny mpamboly isan-karazany mba hahazoan’izy ireo fikarakarana tsara izay hampitombo ny fahaveloman’ny hazo. i Jean Noel, tantsaha an’ny Ambohitrandraina Andranamasina izay miaramiasa ny tetikasa fambolena hazo fihinam-boa kosa nanamafy fa tsara ny vokatra na dia nisy faharatsiany aza ny toetr’andro teto amintsika. Mbola hanohy ny fiaraha-miasany amin’ny fikambanana ara-tsosialy Bôndy moa ny Telma araka ny filazany ary efa manavao ny fiaraha-miasa amin’ny taona ity izy ireo izay hanatratra ny tanjona 100 000 hazo hovolena ary hanamparitaka ny tolotra any amin’ny faritra koa izy ireo toa an’i Toamasina, Morondava sy Mahajanga.

Maro noho izany ireo olona nandray anjara tamin’iy « finday 1 = hazo 1 » ity ary dia nahomby tokoa ary hirariana mba hiparitaka manerana ny nosy ity tolotra ity mba hanatsarana ny tontolo iainana ary hamerina indray ny nosy ho nosy maitso.

Na izany aza tsy voatery hiandry hetsika toy ity vao hamboly hazo ny tsirairay fa ilaina koa ny fandavan-tena mba hikajiana ny tontolo sy ny rivotra iainana.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire