SportTsidika

Talata Volonondry : Afa-po ireo tanora mpilalao baolina kitra

Tontosa ny 2 janoary lasa teo ny lalao famaranana baolina kitra tao amin’ny kaominina Talata Volonodry. Ny kaominina no nikarakara izany. Nofaranana tamin’ny fialana hetaheta teo amin’ny ekipa sy ny mpandray anjara iznay avy eo.

« Tena nahafinaritra ny lalao sy ny fanohanana ny mpilalao. Mahazo tombony be izahay tanora eto Talata Volonondry amin’izany » hoy i Nary, mpilalao baolina ao Talata Volonondry. « Tena faly avokoa na ny mpankafy na ny mpilalao. Hita taratra amin’izao fa tia fanatantajahan-tena ny ben’ny tanàna. Manohana ny tanora ihany koa izy araka ny talentany avy » hoy i Laurent, mponina ao Talata Volonondry.

« Tena ilaina eo amin’ny asa fampandrosoana ny fanatanjahan-tena. Manana vatana salama sy tomady ny tanora. Misy atao ny tanora, ary manadino ny zava-mahadomelina » hoy i Tsiry, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy.

Mahafinaritra ny hetsika tahaka izany. Miainga amin’ny isan-tanàna tahaka izao tokoa ny talenta ary hiady ny voninahim-pirenena tahaka ny Barea rehefa any aoriana any.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire