ActualitésTsidika

Nanokafana ozinina mikarakara lavanila tao Andilanatoby, Ambatondrazaka

Ny volana aogositra teo no nisokatra ara-panjakana ny orinasa Soa Hary ao Andilanatoby, izay misehatra amin’ny fikarakarana lavanila. Mahavokatra lavanila voahodina 300kg ity orinasa madinika ity amin’izao fiatombohany izao, ary mikasa hampiakatra 7 000 kg avy hatrany izany vokatra izany amin’ny taom-piotazana manaraka.

« Miisa 12 ireo mpiasa raikitra ka hampitomboina ho 32 amin’ny taona ho avy » hoy ny mpitantana ny orin’asa. « Zava-dehibe ho an’ny lalam-pihariana lavanila eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny fijoroan’ny orinasa » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. « Hisy mpanangom-bokatra ara-dalàna amin’izay hividy ny vokatr’ireo tantsaha manomboka izao, ary tsy hanjaka intsony ireo mpijirika sy ny mpanararaotra » hoy hatrany izy ireo.

Ny fikarohana sy ny fitrandrahana ny zava-misy eo am-pelatanana tahaka izao tena fototry ny fandraharahana. Mamaha ny olana eo amin’ny sehatry ny lavanila ve izao tetik’asa izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire