ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny « tournoi du maire » eo amin’ny taranja Rugby

Hisy ny fifaninanana hiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, eo amin’ny taranja rugby ao amin’ny kaominina Alasora. Ny alahady izao, eny amin’ny kianja Est-Mahazoarivo no hanatanterahana ny tournoi du maire Rugby à XV.

« Ao anatin’ny fanomezana sehatra ny tanora sy ny fanatanjahan-tena dia ho tanterahana ny alahady 24 martsa ny tournoi du maire eo amin’ny taranja rugby. Ekipa miisa enina no hifanandrina ao anatin’izany ary hanomboka amin’ny 10ora maraina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Anisan’ny zava-baovao be eto amin’ny kaominina ny fifaninanana eo amin’ity taranja ity. Hisaorana feno ny kaominina nanohana sy nikarakara izany satria mampivoatra sy manome lanja ny rugby sy ny mpilalao » hoy i Fanasina, mpilalao rugby.

Amam-bolana maro no efa nanomanana ny fifaninanana ity. Ny kaominina Alasora moa dia anisan’ny manao ezaka amin’ny fanomezana sehatra ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena rehetra misy ao an-toerana.

Laisser un commentaire