CultureTatitra

Iran : Vehivavy roa voasambotra noho ny fandihizana imasom-bahoaka

Vehivavy roa no nosamborin’ny manampahefana Iraniana taorian’ny fandefasana horonantsary mampiseho azy ireo mandihy, ao anatin’ny fankalazana mialoha ny Taom-baovao Persiana. Ny lalàna Islamika manankery ao Iran dia mandrara ny dihy mifangaro na dihy ataon’ny vehivavy tokan-tena imasom-bahoaka, indrindra ny dihy entina manamarika ny taom-baovao any an-toerana ity. Tao anatin’ilay horonantsary, izay niparitaka tao anaty tambajotra sosialy, nahitana vehivavy roa izay nanao fitafiana naka tahaka an’i Hadji Firouz, nandihy sy nihira manoloana an’ny Tajrish, izay toerana be mpitsidika sy be mpandalo any avaratr’i Téhéran. Hadji Firouz moa dia ilay olona « folklorique » mitafy akanjo mena ary lokoana mainty ny tarehiny, izay midihy sy ny mihira ho mariky ny fahatongavan’ny taombaovao Iranianina. Herinandro mialohan’ny Norouz, na taom-baovao iranianina moa no vosambotra ireto vehivavy ireto, izay nikasa hampidi-bola tamin’ny fanaovana izany fihetsika izany, izay fandikan-dalàna, mifandray amin’ny ara-tsosialy ao an-toerana.

Laisser un commentaire