Comores : Hisy ny solika fanampiny hisorohina ny tsy fahampiana
Higadona ao amin’ny nosy Comores 9 aogositra izao ny « tanker » hitondra ny solika hisorohina ny tsy fahampiana. Nanazava nefa ny « chargé de mission » ao amin’ny S.C.H (Société comorienne des hydrocarbures), Ahmed Soudjayi Kifia ny 3 aogositra teo fa mbola manana « pétrole lampant » 1,8 tapitrisa litatra sy lasantsy 3,4 tapitrisa litatra ary gazoala 3,5 tapitrisa litatra ao amin’ny S.C.H.
Nanamafy izy fa ny tsaho no tena mampirongatra ny tsy fahampiana matetika. Mirongatra manantony ny tobin-dasantsy avokoa ireo mpanifa mantsy hoy izy ka ritra vetivety ny solika any amin’ireo mpaninjara. Hatreto kosa dia ny « pétrole lampant » no ahiahy hisy tsy fahampiana. Marihana fa toy ny amin’ny firenena maro aty Afrique dia miasa betsaka amin’ny fanomezana hazavana io solika io.
