Kenya : Jamba avokoa ny zanak’i Agnes Nespondi miisa 11
Renim-pianakaviana niteraka 11 isa i Agnes Nespondi. Jamba hatrany am-bohoka avokoa ireo zanany ireo saingy tsy hitan’ny mpitsabo izany.
Roa amin’ireo zanak’i Agnes Nespondi sisa no mbola kely saingy tsy maintsy mamelona ireo ambiny mbola tsy manambady izy. Ny iray amin’ireo zanany ireo ihany no efa manambady sy niteraka roa ary io vehivavy io ihany koa no misahana ny famelomana ny ankohonany.
Manano-tena moa i Agnes Nespondi ary misedra fahasahiranana izy manoloana ny kileman’ireo zanany.
