ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Sakafo anisan’ny lafo indrindra eran-tany ny Samundari Khazana

Raha heverina fa fanaotao foana ny fandaniana 2 000 livres (9 500 000 Ar) ho an’ny fihinana sakafo misy « curry » ho an’ny ankahamaroan’ny olona dia zava-misy ary tena fia izany ho an’ireo mpanjifan’ny toeram-pisakafoana indien iray atao hoe « Bombay Brasserie » ao Londres.

Mitentina 2 000 livres ny « curry » miaraka amin’ny hazan-dranomasina antsoina hoe « Samundari Khazana » ao amin’ity toeram-pisakafoana ity. Ny fisafidianana ny hazan-dranomasina tena tsara sy ny fampiasana hai-maitso ary hanitra indien voafantina no anisany tena mampatsara sy mampalafo io sakafo io.

Tsy natao ho an’olon-drehetra io toeram-pisakafoana io. Raha ny fantatra dia olo-malaza maro no manafatra sy misakafo ao amin’izany. Nisokatra tamin’ny 10 desambra 1982 ny « Bombay Brasserie », voalaza fa manokatra lalana ho an’ny indostrian’ny trano fisakafoanana karana mitentina an-tapitrisa ao Royaume-Uni ny firoborobony.

Laisser un commentaire