Japon : Miditra eo amin’ny tontolon’ny famokarana fiara ny orinasa Sony
Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny orinasa mpamokatra fitaovana elektronika Sony fa hisehatra eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia. Miara-miasa amin’ny Honda izy ireo amin’izay tetikasa izany ary nanamafy fa hamoaka ny andiany voalohan’ny fiara ny taona 2026 izao.
Antsoina hoe Sony Honda Mobility io andiana fiara voalohany io aryho vokarina ao Etats-Unis izany. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia fiara « électrique premium » no ho voakarina amin’izany saingy tsy mbola nitatitra momban’ny endrikin’ny fiara sy ny teknolojia miaraka amin’izany kosa izy ireo.
Ny tsena amerikanina sy aziatika no tena ho voakasikin’ny fivarotana ny Sony Honda Mobility. Manomboka ny taona 2025 ny fotoam-pamandriana ny fiara.
