ActualitésTsidika

Ambohidrabiby : Nozaraina fanomezana ireo mpianatra afa-panadinana ara-panjakana

Nisy ny fizarana loka fanomezana ho an’ireo mpianatra miisa 150 tao amin’ny kaominina Ambohidrabiby, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mpianatra afaka ny fanadinana CEPE misa 34 sy 82 afaka BEPC ary 35 Bacc tao amin’ny sekoly Finanaritra, EPP Ambohidrabiby, EPP Ambatondralambo, CEG Ambohidrabiby ary Lycée Ambohidrabiby eo amin’ny rova Ambohidrabiby, taompianarana 2020-2021 no nisitraka izany, araka ny voalaza.

« Tafiditra ao anatin’ny fankalazana n fetin’ny taranaka Ambohitrabiby, izay efa fanao isan-taona ny hetsika, ary natao indrindra mba ho famporisihana ny taranaka hilofo amin’ny fianarana hatrany. Nisy ihany koa ny fizarana ankanjo azo tamin’ny hetsika vide-grenier ho an’ny mpiray tanindrazana monina eny Ambohidrabiby mila izany” hoy ireo tomponandraikitra.

“Mamporisika ny hafa hiezaka sy hanao ny tsara hatrany ny hetsika tahaka izao. Indrindra, ny fanohanana ireo mpianatra, hampilofo azy ireo hatrany amin’ny fianarana, ho fitaratra ho an’ny hafa » hoy i Hery, mponina ao Ambohidrabiby.

Ilaina hatrany ny fifanampiana, indrindra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Tsy tokony hiandry ny hafa hatrany vao hitondra tolo-tanana na fankasitrahana, fa azo atao ny manolotra izay kely hananana ho fanampiana sy fanohanana ny hafa

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire