Toetry ny andro : Hiakatra vetivety ny hafanana amin’ny faritra maro eran-tany
Nanao fanairana ny ONU sy ny FICR (Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge) amin’izao ankatokin’ny COP27 fa hiakatra ny maripana amin’ny faritra maro eran’izao tontolo izao ao anatin’ny taona vitsivitsy. Mampitadrina ny amin’ny mety hisiana onjan’hafanana goavana (canicule extrême) mihoatran’ny zakan’ny olombelona izy ireo ao anatin’ny folo taona ho avy.
Nanamafy ireo tompon’andraikitra ireo fa hisy ireo faritra tsy azo honenena intsony ao anatin’izany fiakaran’ny maripana ambony dia ambony izany. Hiresahana izany indrindra ny COP27 izay hotontosaina ao Charm el-Cheikh eo amoron’ny ranomasina mena ao Égypte hanomboka ny 6 hatramin’ny 18 novambra izao.
