ActualitésTatitra

Maurice : Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny nosy i Angola manoloana ny raharaha fanodinkodinam-bola

Nangataka fiaraha-miasa tamin’i Maurice ny lehiben’ny fampanoavana tao Angola manoloana ny raharaha fanodinkodinam-bola mahavoarohirohy ny fianakavian’ny filohan’i Angola teo aloha José Eduardo dos Santos, izay namoy ny ainy ny olana jolay lasa teo. Isany tena voafatotra ao amin’io raharaha fanodinkodinam-bola amina miliara io ny zanaka vavin’io filoha io, Isabel dos Santos izay heverina fa mitady fialokalofana ao amin’ny nosy Maurice.

Raha ny fanazavan’ny ICIJ (Consortium international des journalistes d’investigation) dia tsy latsaky ny dimy ny orinasa natsangan’ny fianakaviana dos Santos tao Maurice, anisan’izany ny Saguaro Management sy ny Silverfields Ltd. Marihana ihany kosa fa efa vehivavy nanan-karena indrindra taty Afrique i Isabel dos Santos izay vadin’i tompokolahy Sindika Dokolo.

Taona maromaro kosa izao no voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bola io fianakaviana io izay heverina fa hafenin’izy ireo amin’ny firenena maro, anisany i Maurice, anton’izao fangatahana fiaraha-miasa izao.

Laisser un commentaire