ActualitésTsidika

Rivo-doza Freddy: Tsy mitsahatra maneho ireo voka-dratsin’ny fandalovany teto Madagasikara.

Mbola tsy mitsahatra maneho ny heriny hatrany iny rivo-doza Freddy iny iray volana taorian’ny fandalovany teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia tombanana ho 115 000 ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Ny faritra atsimo Atsinanan’ny Nosy no tena ahitana izany tranga izany betsaka raha arak any fanambarana avy amin’ny UNICEF. Anisan’ny ahitana ireo tranga mahafaty indrindra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ireo faritra ireo. Maro ny antony mahatonga izany raha ny nambaran’ny UNICEF hatrany.

“Maro ireo antony mety mahatonga io olana io ho lehibe toy izao fa ny tena misongadina di any fahamaroan’ny olona tsy manana fidiram-bola afatsy ny amin’ny alalan’ny fambolena. Namotika toerana maro izay hiasan’ireo mponina anefa iny rivo-doza iny ka simba niaraka tamin’izay ny voly isan-karazany”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny UNICEF.

Etsy andanin’izany anefa dia efa misy ireo vahaolana naroson’ny UNICEF hahafahana miady amin’izany olana lehibe izany. “Efa misy toerana handraisana an-tanana ireo zaza marary. Tsaboina sy tolorana sakafo ireo zaza marefo sy efa hita fa marary noho izany tsy fampian-tsakafo izany. Mifantoka amin’ny maha-olona ihany koa ireo vahaolana hafa nokarohina. Ao anatin’izany ny famoahana ny valin’ny fanadihadiana mba hidadasika izay hiaraha-miasa amin’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana hampihenana ary hialana amin’ny fahafatesana betsaka loatra”, hoy hatrany ny fanazavana.

Olana mbola voalohany tokony ho vahana maneran-tany ny tsy fanjarian-tsakafo ka tokony samy hanana andraikitra amin’izany avokoa ny tompon’andraikitra ambony tsirairay. Raha ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana eto Madagasikara manokana dia manodidina ny 874 000 ireo olona rehetra tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Tokony hiandry tompon’andraikitra ve izany sa tokony samy handray andraikitra avokoa?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire