France : Efa folo taona lasa no tsy nahitana an’i Laetitia Czuba
Tsy hita teo amin’ny faha-33 taonany tamin’ny 25 septambra 2012 i Laetitia Czuba. Handeha hatory tany amin’ny renibeny tao Peymeinade, ao Alpes-Maritimes no niala tao an-tranony tao Fréjus ao Var tamin’io fotoana io nanodidina ny 8 ora alina teo saingy raha ny fantatra dia tsy tonga tany ny tenany.
Manodidina ny 11 ora sy sasany alina kosa no hita tao Bordighera ao Italie izay 120 km miala an’i Fréjus ny fiarany. Nidihy lakile izany tamin’ny fotoana nahitana azy ary mbola tao anatiny ny finday sy ny taratasin’i Laetitia Czuba rehetra. Hita teo anelanelana torapasika sy trano iray kosa ny kitapo nisy ny akanjo nentiny.
Hita tamin’ny « camera de surveillance » fa niezaka nananika ny fefin’ilay trano i Laetitia Czuba ary teo no nahitana azy farany. Noraisin’ny « pôle cold case » an-tanana kosa ny raharaha amin’izao fotoana. Izy ireo dia misahana ireo raharaha tsy mbola voavaha aman-taonany.
