Ambohimangakely : Hanatanteraka loabaray andasy ny koperativa Kofiatra
Ao anatin’ny hetsika zato taona fankalazana ny andro iraisam-pireena ho an’ny koperativa, dia hanatanteraka loabary andasy ny koperativa Kofiatra, izay misy ny zotra E sy zotra I izay miasa ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. ny sabotsy 08 jona no hanatanterahana izany, raha ny voalaza.
“Hisy ny loabary andasy atao ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, izay hanomboka amin’ny 02 ora tolakandro amin’ny sabotsy. Natao izany mba hanatsarana ny fitateram-bahoaka eto amin’ny Ambohimangakely” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny koperativa.
“Zotra tena anisan’ny mampitaraina ny mpandeha raha ny zotra E. Handrasana tokoa mba hisy ary hitondra fiovana eo amin’ny fomba fiasan’ny mpitatitra ao anatin’izany ny fanatanterahana ny loabary andasy ity. Indrindra ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitaterana” hoy i Ravaka, mponina ao Ambohimangakely.
Ny fiovana eo amin’ny zotra fitaterana no handrasan’ny mpandeha amin’izao loabary andasy izao. Anisa’izany ny fijerena akaiky ny momba ny saran-dalana, ny fametrahana ny fitsipika sy ny fampiharana sazy ho an’ireo mpandika lalàna fa indrindra ny fanatsarana ny kalitaon’ny zotra.
Manitra R.
