ActualitésTatitra

Etats-Unis : Zazalahy iray no sempotry ny rano teo akaikin’olon-dehibe izay tsy rototra akory

Tao Fenton ao Michigan no niseho ity taranga ity ny volana jona teo. Ankizy dimy ary olon-dehibe iray no nilalao tao anaty dobo filomanosana iray. Tampoka teo nefa dia tsy tafarina tao anaty rano intsony i Griffin Emerson, zazalahy 7 taona.

Tsy rototra tamin’ny zava-niseho akory ilay olon-dehibe teo akaikin’i Griffin Emerson. Zazalahy 12 taona antsoina hoe Noah Roche no nahatsikaritra fa naharitra ela loatra tao anaty rano ilay zazalahy ka niantso ny namany Weston Woods, 8 taona izay nitsambikina tao anaty rano ary nanavotra an’i Griffin Emerson.

Rehefa tafiakatra teo amin’ny sisin’ny dobo io Griffin Emerson dia efa tsy niaina intsony hoy ny shérif ny comté de Genesee. Rehefa natao « massage cardiaque » nefa izy dia nivoaka ny rano voateliny ka niverina niaina indray izy ary tsy misy ahatahorana ny ainy.

Laisser un commentaire