Cnapmad : Mitaky ny hanomezana ny karamany enimbolana ny mpiasa
Nanatanteraka fitokonana fitakiana ny karamany enimbolana ireo mpiasa eo amin’ny ivotoeram-pirenena mahakasika ny famokarana fitaovam-pianarana, na ny Cnapmad ao Ankorondrano. Mpiasa miisa sivy folo izay mandrafitra ity toeram-piasana no izao nanatanteraka fitokonana izao. Tambin- karama tamin’ny taona lasa (taona 2020) tsy voahefa, etsy andaniny anefa efa vita indray ny asa mandritra ity taona 2021 ity.
Marihina fa ity orinasa ity no mikarakara ireo taratasy amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, izay iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.
Efa nisy ny fiampiresahina teo amin’ireo mpiasa sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena saingy tsy nisy vahaolana nivaoka nandritra izany. Nandamoka ny fihaonana. Fitakiana miisa dimy farafahakeliny no nitranga nadritra ity volana oktobra ity, izay saika mitovy avokoa ny anton’ny fitakiana.
« Olan’ny karama tsy voaloa sy ny fampitsaharana sosialin’ny mpiasa no anton’izao fitakiana izao. Ny tambin-karama tsy avaokan’ireo tompon’andraikitra ny filàna amin’ny fiainana andavan’andro etsy andaniny mihamidangana isan’andro » hoy i Sariaka, mpiasa. « Tsy misy hatramin’izay ny vahaolana nomen’ny ministera manoloana ny tsy fandoavana ny karaman’ireo mpiasa. Zary lasa resaka fotsiny ny fitondrana vahaolana fa tsy hita hatramin’izao izay vahaolana aterakin’ny valan-dresaka » hoy i Tiana, solotenan’ny mpiasa.
« Vokatry ny krizy ara-ekonomika sy sosialy naterakin’ny valan’aretina sy ireo fepetra rehetra noraisina ndritra izay fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izay no nitarika ireo olona hitaky amin’ny fanjakana ny hanefana ny tambin-karamany » hoy i Paul, mpandinika fiaraha-monina.
Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny anton’ny fitokonana misy eto Madagasikara, ny olana ara-bola avy hatrany no ao an-tsainy vao vantany vao maheno izany ny mponina. Tsapa fa manana fahasahirarana ara-bola ny fanjakana amin’izao fotoana koa izany no mahatonga ireo fitakiana tsy voavaly. Tafididtra anaty fahasahiranana lalina ihany koa ny mponina taorian’ny nisian’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny firenena, saingy tsy ireo vahaolana laharampahamehana amin’izany no aroson’ny fanjakana.
Tsy terena hamoaka vola tokoa ve ny fanjakana ?
Haingotiana Andriamihaja
