Institut ISS: Hisy valan-kevitra hiresahana loha-hevitra isan-karazany mandritra ity volana ity
Hisy valan-dresaka atolotry ny ivon-toeram-piofanana IISS mandritra ity volana oktobra ity. Eny amin’ny ivon-toeram-piofanana IISS tsiadana no hanatanterahana izany, manomboka ny 16 Oktobra izao.
“tafiditra ao anatin’ireo fampiofanana ataon’ny IISS ny mahakasika ny fitantanana tetik’asa. Izay indrindra no hisantatra ny valan-kevitra amin’ny 16 Oktobra izao, mitondra ny loha-hevitra hoe “Optimisation de la gestion de projets au sein des organisations publiques” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny IISS.
Hanomboka amin’ny 09 ora maraina moa ity conférences ity ary aharitra roa ora izany. Ny mpampolavola tetik’asa avy ao amin’ny ONG IISS no hitondra ny famelabelarana mandritra izany.
