PolitiqueTatitra

Côte d’Ivoire: Nandroaka ny praiminisitra i Alassane Ouattara

Ny zoma 6 Oktobra, nesorin’ny filohan’i Côte d’Ivoire ny praiminisitra Patrick Achi, teo amin’ny toerany nanomboka ny taona 2021, tsy nanome antony io fanapahan-kevitra io. Nanambara ny fananganana governemanta vaovao ho avy izy.Alassane Ouattara dia nanao sonia didim-panjakana « manapaka ny asan’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta ary koa ny an’ny mpikambana ao amin’ny governemanta », araka ny fampitam-baovao novakian’ny sekretera jeneralin’ny prezidansa Abdourahmane Cissé.Patrick Achi sy ireo minisitra ao aminy dia “miandraikitra ny raharaham-pirenena ankehitriny” mandra-pahatongan’ny fanoloana azy ireo.Naneho ny fankasitrahany ny Praiminisitra sy ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta ny filoham-pirenena Ivoariana tamin’ny fanoloran-tenany tamin’ny fanompoana ny firenena tato anatin’ny taona vitsivitsy.Efa nampoizina tao Côte d’Ivoire izany fanapahan-kevitra izany tato ho ato, izay nampahafantarin’ny filoha ny mpikambana ao amin’ny governemanta ny amin’ny fanovana ho avy mandritra ny filankevitry ny minisitra farany, ny 28 septambra.

Laisser un commentaire