ActualitésTatitra

Etats-Unis : Governora voalohany miharihary fa miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy i Maura Healey

Voafidy governoran’ny fanjakan’i Massachusetts nandritra ny Midterms 2022 tao Etats-Unis i Maura Healey. 51 taona ny tenany ary governora voalohany miharihary fa miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy ao amin’ny firenena.

Nilaza io mpitantana vaovao io nandritra ny lahateny nataony tao Boston fa mirehareha amin’ny maha vehivavy sy olona miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy voalohany lasa governora ao amin’ny Etats-Unis ny tenany. Nitondra hafatra ho an’ireo vehivavy sy tovovavy mpikambana ao amin’ny LGBT ny tenany nandritra izany. « Mino aho fa izao fahalaniako izao dia maneho fa azonareo atao avokoa izay tianareo ary androany isika dia nametraka tantara » hoy izy.

Laisser un commentaire