ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nisy ny fivoriana mahakasika ny fampidiran-ketra notarihin’ny ben’ny tanàna

Notanterahina tamin’ny talata lasa teo ny fivoriana mahakasika ny fampidiran-ketra (hetra trano) tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tonga nitarika izany fivoriana izany ny ben’ny tanàna ao amin’ny an-toerana, izay niarahana tamin’ireo sefo-pokotany sy ireo lehiben’ny vakim-paritra ao an-toerana ary ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

“Noresahana nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny fampidiran-ketra ato anatin’ny kaominina. Tao anatin’izany, ny fanefana ny hetra trano 2018 sy 2019 dia tokony alohan’ny 25 desambra 2022 no tokony handoavana azy. Ny hetra trano 2020 sy 2021 kosa dia alohan’ny faran’ny volana febroary 2023” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Tsara ny manao fampahafantarana ny isan-tokatrano sy ny olom-pirenena mahakasika ny hetra sy ny manodidina izany. Anisan’ny olana na sakana mahatonga azy ireo tsy manefa izany ny tsy fahafantarana” hoy I Avotra, mpianatra momba  ny fiaraha-monina.

Mbola maro tokoa ny olom-pirenena tsy mahafantatra ny mahazava-dehibe ny fandovana hetra. Ilaina ny fampahafantarana izany voalohany indrindra, ary entina amin’ny mangaraharaha toa ny fampahafantarana ireo vola niasa sy niodina tamin’ny fampiasana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire