ActualitésTatitra

Comores : Mahafa-po ny vokatrin’ny tetik’asa PFSS hatreto

Nanao fanambarana ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa PFSS (Projet de filets sociaux de sécurité) fito vola tsy hitakonan’ny tetikasa fa mahafapo ny vokatra. Raha tsiahivina dia nanomboka ny volana jona 2020 no napetraka io tetikasa io taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Kenneth tamin’ny taona 2019 ary ho faranana ny volana jona 2023 izany.

Tanjon’ny tetik’asa PFSS ny fanampiana ara-tsosialy ao amin’ny nosy sy ny fampiraisana ara-tsosialy sy ara-toe-karena (insertion socio-économique). 99% ny tanjona no efa tratra hoy i Ibrahima Ahamada. Ankoatra ny fanarenana ireo foto-drafit’rasa fototra simba dia tokantrano 10 290 isa tamin’ny fokontany 118 ihany koa no nisitraka ny vola fanampiana hanaovana ny asa manokana.

Laisser un commentaire