Dépêches

Asam-panjakana : Nihena ny isan’ireo ho raisina mpiasam-panjakana ny 2023

Dépêche 17 novembre, 15h, Mbola nihena noho ny tamin’ny volavolan-dalana nasiam-panitsiana ny 2022 ny isan’ireo izay ho raisina ho mpiasam-panjakana ny taona 2023. Raha 17 900 izany tamin’ity taona ity dia ho 9 498 fotsiny ihany ny amin’ny taona ho avy. Ny ao amin’ny sehatry ny fampianarana no tena hisitraka betsaka indrindra izany fandraisana ho mpiasam-panjakana izany. Ny hari-karena faobe kosa anefa dia vinavinaina hiakatra amin’ny taona 2023 izay mety ho tonga hatramin’ny 11.93% izay nahitan fiakarany hatramin’ny 386.3 miliara dolara.

Laisser un commentaire