ActualitésTatitra

Mayotte : Niroborobo ny famokarana lavanila tao amin’ny nosy tao anatin’ny 4 taona

Nanomboka tetikasa hanarenana ny sehatry ny famokarana lavanila tao Mayotte ny fikambanana Saveurs et Senteurs tamin’ny taona 2018. Tsy nisy rafitra nandaminana io sehatra io intsony taloha izany kanefa marihana fa sehatra iray miasa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin’ny nosy izany.

Mpamboly sy mpanodina no mivondrona ao amin’ny fikambanana Saveurs et Senteurs izay niforona ny taona 2011. Manohana ny mpamokatra indrindra amin’ny lafiny teknika io fikambanana io mba hahazoana vokatra tsara. Mividy lavanila maintson’ireo mpamokatra izy ireo ary manomana hoamidy hoy i Julie Moutet, mpandrindra ny Saveurs et Senteurs.

Raha lavanila 67 kg isakin’ny mpamokatra 7 no hvoahangon’izy ireo tany amin’ny taona 2018 dia nahangona 1,4 taonina avy amina mpamokatra 37 ny fikambanana tamin’ity taona 2022 ity.

Laisser un commentaire