Etats-Unis : Fisamborana olona betsaka indrindra amin’ny sisin-tany tao anatin’ny 15 taona
Mitotaly ho 172 000 ireo vosambotr’ireo mpiandry ny sisin-tany Etats-Unis sy Mexique saika hiditra antsokosoko tao Etats-Unis ny volana lasa teo. 71% miohatra ny tamin’ny volana febroary izany. Ireo zaza tsy ampy taona no anisan’ny betsaka amin’ireo mpifindra monina antsokosoko ireo. 18 890 isa izany raha ny fantatra. Io no taha ambony indrindra teo amin’ny tantaran’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna hoy ny mpiandraikitra ny fifindra-monina. Manodidina ny 20 000 ireo fianakaviana tamin’ny volana febroary ary tafakatra 53 823 kosa izany ny volana martsa lasa teo. Ny taona 2020 no efa nahitana io fiankarana io saingy vao mainka nidangana izany taorian’ny fitondran’ny filoham-pirenena Joe Biden izay mandrara ny fanakanana ireo zaza tsy ampy taona tsy misy mpanaraka. Maherin’ny 20 000 ihany koa ireo mpifindra monina efa nahazo trano fonenana hatolotry ny governemanta amerikana ao Etats-Unis.
